Index

Proverbs : dokafana

Proverb 1Mpivaro-jabo antsena ka samy mandoka ny azy ho fatratra. [1.1]
Toy ny varo-jabo an-tsena : dokafana ho masaka na ny tsy masaka aza. [2.558 #4371]
Toy ny varo-jabo an-tsena, ka samy midoka ny azy ho masaka. [2.165 #1173]
Toy ny varo-jabo an-tsena: samy midoka ny azy ho masaka. [2.653 #3249]
Varo-jabo an-tsena ka samy mandoka ny azy. [2.558 #4866]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona manao dokam-barotra izaitsizy ka samy manao izay ananany avy ho tsara indrindra. [1.1]
French translationPareils aux vendeurs de "jabo" (tissu en raphia et coton) au marché: chacun vante le sien. [2.165]

Proverb 2Rano tapa-tsiny ka avezivezy, fanambadiana terena ka dokafana. [2.558 #3713]

Index