Index

Proverbs : lomano

Proverb 1Aoka hatao lomano tsy mikobaka. [2.165 #1222, 2.415 #1052, 2.653 #275]
Aoka hatao lomano tsy mikobana. [2.558 #323]
French translationIl faut nager sans bruit. [2.415 #1052]
Nagez doucement sans agiter l' eau. [2.165]
French interpretationCe proverbe est analogue au proverbe français : il faut laver son linge sale en famille. [2.415 #1052]
Faites vos affaires sans bruit. [2.165]

Proverb 2Boka milomano : tafita vao ana. (tsy misy hiakarana ny morona). [2.558 #61]
Boka milomano: tafita vao maty. [2.415 #1969, 2.653 #794]
Boka milomano: tafita vao rendrika. [1.1]
Boka nilomano ka tafita vao rendrika. [2.558 #942]
Boka nilomano: tafita vao maty. [2.165 #2036]
Lomano-boka: tafita vao rendrika. [1.1]
Tafita vao rendrika toy ny lomano-boka. [2.558 #3968]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin' ny ho tonga amin' izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan' ny sampona tsy azo anoarana). [1.1]
Enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsara hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa-mamikitra ny tanany. [1.1]
French translationLépreux qui nage: il arrive à l'autre bord pour mourir. [2.415 #1969]
Un lépreux nageant (pour traverser une rivière): il meurt après avoir atteint l' autre bord. [2.165]
French interpretationParce qu' il ne parvient pas à monter la berge escarpée, manquant de doigts pour saisir les herbes qui lui aideraient à grimper. [2.165]
Se disait des malheureux: le lépreux ne peut pas s'accrocher au rivage pour monter. [2.415 #1969]

Proverb 3Lomano-boka, ka izay idonan' ny loha no iakarana. [2.558 #136]

Proverb 4Lomano-boka : ny midina azoazo ihany, fa ny miakatra no ady mafana. [2.558 #137]

Proverb 5Lomanon' ilay jamba, ka izay hidonan' ny loha no hiakarany. [2.165 #2070, 2.415 #2157]
French translationAveugle qui traverse une rivière à la nage : il montera là où sa tête heurtera. [2.415 #2157]
Un aveugle traversant une rivière à la nage: il montera (la berge) là où sa tête heurtera. [2.165]

Index