Index

Proverbs : ranomasina

Proverb 1Be ny riaka, tsy tambo ny ranomasina : izay misy harana my no malaza. [1.147 #B6]

Proverb 2Jebojebo nihoa-dranomasina, masovoatoaka nanova siranana : manova aminahy anovako koza. [1.147 #J1]

Proverb 3Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka aza manonja. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona matin-kambo be loatra; zavatra kely iny dia mampibontsina azy izaitsizy, hanao ahoana izany raha zavatra lehibebe kokoa no sendra azy? [1.1]
Fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin' ny zavatra tsinontsinona. [1.1]

Proverb 4Manao lian-dranomasina : mandeha, fa mbola ho avy. [2.415 #5857]
French translationDésirer à la façon de la mer : elle s' en va, mais elle reviendra. [2.415 #5857]
French interpretationProverbe betsimisaraka. [2.415 #3110]

Proverb 5Ny ranomasina no ho valam-parihiko. [2.415 #304]
Ny riaka no valam-parihiko. [2.415 #304]
French translationLa mer est ma frontière. [2.415 #304]
French interpretationParoles du roi Andrianampoinimerina pour dire qu'il voulait régner seul et étendre ses conquêtes dans l' île. [2.415 #304]

Proverb 6Papango mipaoka an-dranomasina : mipaoka an-tanin' olona. [2.415 #4313, 2.558 #3480, 2.653 #2593]
French translationOiseau de proie papangue qui enlève une proie sur mer : il prend sur le terrain d' autrui. [2.415 #4313]
French interpretationSe disait de deux rusés ou de deux voleurs. [2.415 #4313]

Proverb 7Ranomasina nasaok’ abidy : lasana my fa nahazahoana. [1.147 #R39]

Proverb 8Ranomasina tsara tsinjovina; fanahim-bady tsara tsy hita. [1.147 #R40]

Proverb 9Tsara lanitra karaha ranomasina. [1.147 #T135]

Index