Entry dihy
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Mitovy hevitra: afindrafindrao ~ dada ~ dihy soroka ~ jaiko ~ sahoby ~ salegy ~ soamaroroka ~ soratra ~ totorebika ~ tsaramiera ~ tsinjaka ~ tsipisandry ~ velatanana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany [1.1]
Explanations in English A dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka [1.2]
 A dance, dancing [1.7]
Explanations in French Danse [1.3, 1.8]
 Sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
Le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point [1.3]
Examples 
1Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
2Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
3Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Derivatives 
Synonyms danise ~ tsinjaka
Compound words 
Titles Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)
Proverbs 

Entry Dihy
Elementary words dihy
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Rabearivelo Jean-Joseph, 1931/09/16
Text 
Ritsodritso-baliha telo,
gobogobok' ampongatapaka,
lokanga dimy indray dinidy
sy sodin-taolana tsara loaka.

Io misonenika Ratovovavy,
miakanjo manga marain-droa !
Ny lamba valaka mavokely;
raozy gasy ao anaty volo.

Tsoakam-bero sa bararata
mihararetra any amoron' ala ?
Sidintsidin' ny andro meva,
sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

Io misonenika Ratovovavy,
moana tahaka ny Fiadanana;
valiha telo, ampongatapaka,
lokanga, sodina no indray henony.

Fa injay ny molony mangovingovitra,
ipololoran'ny nofinofy;
tsy toha intsony ka zary kalo,
dia zary hira nony efa avy eo.
Mba hontsa koa Ravaviantitra,
ka io mirotsaka mba handihy,
mitari-joro ny ila sikiny,
dia toy ny androny mirefarefa.

Tsy kalokalo na hirahira
no mampifelana izato endriny,
ranomaso no mamonto azy,
mahatsiaro ny maty rehetra...

Mahatsiaro... Toa fenomanana
efa ho rendrika tsy ho hita.
inty mihintsana ny lohataona
ka zary fasana ravi-maina...

Dia mifanojo ny loha tondro,
ny tondro mihantsin-dRatovovavy
sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
samy tanteraky ny hazavana.

Mifanojo ka toa tetezana
ifanohizan' ny alin-kely
efa foy ery an-tendrombohitra,
sy ny andro maneno akoho !
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Anagrams 

Updated on 2023/10/22