Entry |
fao-dranomaso
|
Elementary words | fao- (faoka) ; ranomaso |
Part of speech | locution
|
Explanations in Malagasy | Vola famangiana omena ny tompon' alahelo raha mbola eo am-bohitra ny razana (tsara homarihina fa mbola misy anarana hafa omena ny vola famangiana amin' io fotoana io, toy ny hoe solon-tsosoa, ranombary tsy masaka, fa anarana hafa kosa no iantsoana ny vola famangiana amin' ny fotoana hafa: kofehy, solon-kofehy, rambondamba, zara levenana) [1.1]
|
Explanations in English | [ranomaso, tears.] A present given to the near relatives of a deceased person. manao fao-dranomaso: to present the usual gift to persons who have been bereaved. [1.2]
|
Examples |
1 | ny velona ampisotroinareo ranombary sy omena fao-dranomaso ary otroninareo, omen-kaja sy omem-boninahitra.
[1.370]
|
2 | Ny hafa kosa, raha vao mandre ny manjo, dia midodododo mamangy ka ny vola omena amin' izany dia solon-tsosoa na ranombary tsy masaka na koa faodranomaso
[2.436]
|
|
|