Entry manina (hanina)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany [1.1]
Explanations in English To long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina) [1.7]
Explanations in French Regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina) [1.8]
Examples 
1Manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
2Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Vocabulary 
Morphology 
Present : manina
Past : nanina
Future : hanina
Imperative : manìna
Derivatives 
Compound words 
Titles Manina (Tselatra)
Proverbs 

Entry manina (ina)
Part of speech active verb
Explanations in English  [Provincial] To command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [1.2]
Morphology 
Present : manina
Past : nanina
Future : hanina
Imperative : maninà

Entry manina
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy  [Bara] manendry [1.78]

Entry manìna (hanina)
Part of speech imperative of active verb manina [full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]

Entry maninà (ina)
Part of speech imperative of active verb manina [full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]

Entry Manina
Elementary words manina
Part of speech name (short story title)
Author Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

- Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Anagrams 

Updated on 2023/10/20