Entry miharihary (harihary)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Hita na miseho manontolo tsy misy miafinafina: Mahafinaritra ahy ity trano ity fa miharihary tsara
Marina tsy ilana porofo: Miharihary izao ny fahaizany fa nahazo voalohany izy tamin' ny mpianatra zato
Menatra, mangasihasy: Niharihary foana teo izy nony novakin' ny olona ny laingany
Mitovy hevitra: mangezaheza ~ mibaribary ~ miharihary ohatra ny kary am-pamoloana ~ miharihary ohatra ny vay an-kandrina ~ miseho tsara ~ misongadina ~ mivongady ~ tsy takona afenina ohatra ny masoandroben-dohataona [1.1]
Explanations in English Exposed, open, manifest; fig. ashamed. [1.2]
 To be evident, to be plain view [1.7]
Explanations in French être en vue; être évident [1.8]
Examples Ary vao mainka mazava sy miharihary amin' ny eritreriny ny fahavoazany, izy io marary sy tsy mahita tory io. [2.470]
Morphology 
Present : miharihary
Past : niharihary
Future : hiharihary
Imperative : mihariharia
Compound words 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/01/20