Entry mirantiranty (rantiranty)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Mitandahatra amin' ny toerana avo na mora hita ka tazana avy lavitra na miharihary tsara: Mirantiranty eny amin' ny talantalana ny entam-barotra amin' ny ankabeazan' ny mangazay. / Nirantiraty teny an-davarangana ny fianakavian-dRazazavavy teo ampiandrasana ny mpangataka
Mitsangantsangana mitandahatra (zavamaranitra na fiadiana): Nirantiranty nanaraka ny rindrina ny benitry ny miaramila [1.1]
 Ny tena hevitry ny hoe mirantiranty dia mihan-tonkatona eny ambony toerana avo, toy ny zavatra milahatra ambony salazana, vorona ambony hazo, lefona mitandahatra [2.313]
Explanations in English To be arranged, to be in order [1.2]
Examples Nahatsiravina ny fijery ireo Sakalava nanangasanga tao anaty bozaka nanodidina ireto olona Nirongo ody sy felana ny ankabeazan' izy ireo ary ny lefony dia miranirany sy mifilofilo mirantiranty manodidina. [2.895]
Morphology 
Present : mirantiranty
Past : nirantiranty
Future : hirantiranty
Imperative : mirantirantia

Anagrams 

Updated on 2023/01/20