Entry mpampiankin-teny
Elementary words mpampiankina ; teny
Part of speech locution
Explanations in Malagasy Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra: mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, miresaka momba ny fambolena izy mianaka. Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina:
-- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ...
-- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, lavitra, noho, afa-tsy, toy: arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ...
-- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy irerỳ voalohany raha milaza toerana: tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io).
Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
[1.1]
Explanations in English Preposition [3.1]
Explanations in French Préposition [3.1]
Other spellings 
Tables and plates all the prepositions

Updated on 2023/12/16