Entry Ny herin' ny Fahatsiarovana
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Rajemisa-Raolison Régis
Text 
Indrisy! nahoana, hono, lahy!
Matetika raha eto an-tany,
Tsy mety ny fo sy fanahy
Fa miherika ny andro efa lany,
Ka zavatra sendra voatsiahy,
Miserana fotsiny ihany,
Miteraka sento tsy nahy,
Indraika aza mampitomany?

Indrisy! nahoana, hono, mantsy
Ny andro mihelina itony,
Mitondra ny soa sy ny ratsy,
Tsy lasa dia tsy hita intsony
Fa mbola mazàna mihantsy
Ny olona hitondra lonjony,
Mametaka tombokavatsy
Tsy maty ao anatin' ny fony?
Indrisy! nahoana, hono, manko
Ny omaly tsy lasa dia miery,
Fa mbola mimpody malako
Toa maso mangala-pijery,
Toa feo averin' ny ako,
Miverina tsy misy very
Ka lasa vao manakotsako
Toa embona entina irery?

Indrisy! nahoana? - Satria,
Satria ny olon-drehetra
Natao ho faly doria,
Kanefa natao misy fetra:
Ny fony natao te-ho tia
Kanefa arahin' ny tsetra;
Ny Omaly sy Anio miara-dia,
Ny Omaly no mahery setra!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/04/02