|
|
|
|

Teny iditra1  Rabetsimandranto Fidelis-Justin
Singan-teny  2 Rabetsimandranto
Sokajin-teny  3  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  4 Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966) [1.1]
5 Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia
6 teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966.
7 Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro.
8 Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao.
9 Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe;
10 dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra.
11 Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe:
12 Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny.
13 Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa.
14 Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany.
15 Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony;
16 ny tantara foronina, enina ambin'ny folo;
17 ny tantara fampisehoana, enina;
18 ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ". [2.314]
Voambolana  19  Haisoratra: mpanoratra
Asa navoany  20  Adidy nandresy fitiavana Tritriva
21  Andraikiba
22  Antananarivo sy Ambanivohitra
23  Avonavona resim-pitia
24  Diksionera Malagasy : A-Doka
25  Fehezam-boninkazo
26  Fo idealy
27  Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962
28  Hady folo sosona
29  Hain-teny malagasy
30  Iangivola
31  Kabary vaovao
32  Ny kabary taloha sy ankehitriny
33  Ny voninkazon-dohataona
34  Ralibenja
35  Ranokombe
36  Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila
37  Soaniary
38  Sorobaton’ilay jamba
39  Trimofoloalina
40  Vatolahy
41  Votso-droa

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/13