Entry Ry fahafahana
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Andriamanantena Georges
Text 
Matokia, ry Fahafahana,
rahavavim-pivavahana!
Fa tsy ho moana
na ho foana
ao anatiko ao
ianao.
Holalaiko
sy hohajaiko
ka harovako
io ho lovako.
Fa raha ny peniko no halaina
an-tenin'aina,
ka didiana
sy tsindriana
tsy hanoratra anao,
d'henoy izao:
Io ny molotro
atolotro
hivazavaza
sy hanazava,
ka hiteny
ombieny ombieny
ny hasarobidinao
sy ny anara-masinao...
ka matokia
doria doria!

Fa na rahonana aho na tairina
ka ny molotro hozairina
raha miteny
anao ka reny,
lazaiko anao
fa mbola hanao,
hanaram-po
tokoa tokoa
ny hohon-tanako
an-kavanako,
hivikiviky
ka hikiky
rindrin-tany
sy handrin-tany,
vatan-kazo
sy izay azo
ametahana
ny Anaranao, ry Fahafahana!
Na ho penina hodorana,
na ho molotra hofatorana,
na ho tanana
hokantsanana...
tsy hampaninona
to'inona!
'Ngaha d'izany
monja ihany
no ahazoako manambara
anao hijoro hatrany am-para?
Ao ny masoko mijery
afaka hamindra hery.
Ao ny saiko,
ao ny aiko.
ao ny zanako,
taranako,
mbola hiady
sy hitady
ka hivonona hifandramatra
hibaiko izao tontolo izao.

Ka noho ianao
ny herim-ponja
dia ho " monja ",
ny letrezana
hihomehezana
satria tsy maintsy ampanjakaina
hatramin'ny fara fofon'aina
ny Herinao, ry Fahafahana!
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/04/02