Entry simbana (simba)
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Ampitondraina fahavoazana, ravana, levonina, rovitina, ratraina: Nosimban' Ikoto ny bokiko. / Nosimban' ny mpangalatra ny volinay
Ovana ho ratsy: Hosimban' ny naman-dratsy iny zanakao iny
Ampijalina, hétraketrahina, tsy itondrana roa: Tandremo sao simban' ialahy io zaza io mandritra ny tsy maha-eto ahy
Lotoina, anaovana fitondran-tena tsy mendrika: Nosimban' ny mpiasa tao antrano ilay zanany vavy [1.1]
Explanations in French Qu'on gâte, qu'on endommage, qu'on dégrade, qu'on défigure, qu'on tracasse, qu'on rend mauvais [1.3]
Examples Izao ny anan' olona avy no nosimbanareo [2.117]
Morphology 
Present : simbana, simbako, simbanao, simbany, simbantsika, simbanay, simbanareo, simban', simban-, simbam-, simba-
Past : nosimbana, nosimbako, nosimbanao, nosimbany, nosimbantsika, nosimbanay, nosimbanareo, nosimban', nosimban-, nosimbam-, nosimba-
Future : hosimbana, hosimbako, hosimbanao, hosimbany, hosimbantsika, hosimbanay, hosimbanareo, hosimban', hosimban-, hosimbam-, hosimba-
Imperative : simbao, simbay
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/01/20