Entry Tia izay tia
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text - Izaho saonjo ery an-dohasaha, ianao tatamo ery an-kamory: mihefa ny eny mba mihefa aho, tony ny eny mba tony aho. Tsy fitia latsaka ny anay ka hanambatambazana mpitsimpona; tsy tanora diso zara ka hanohina maso-mpijery. Fa zaza mitovy tsy mifandranga trano iray lenta tsy mifaniva; tia ny any miara-tia, tsy tia ny any miara-mianjona.

- Ny fitiavana, rahavako, tsy tsipy rano miamboho ka ifanadidiavana; tsy lahi-mizana ratsy tefy ka hitongilana hiletsy ila; fa tia aho matoa manoloana, vonona aho matoa sahy lanja. Ratany: Raha hiringiringy ho tendrombohitra anefa ianao, dia hamitsaka aho fa iva; ratany: ratanyraha hitsoroadroaka ho hazo avo ianao, hikainkona aho fa fohy sandry. Fa ratany: ratanyraha mba hanao fitia mifandefitra, dia tsy aiza aho fa fandrotrarana misafosafo amin'ny tany; ratany: ratanyraha dobo mora tsobohina, dia fandiorano tsy mahafoy tany hita aho ka hilentika aminao fe ritra.


Updated on 2023/04/02