Explanations in Malagasy | Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra:
Valaky ny asa tany Rabe.
(Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan' ny hozatra indrindra:
Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovam-pihetsehana indrindra:
Vizan' ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamafisan' ny asa:
Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray) [1.1]
|