Entry voninahitra
Elementary words vony ; ahitra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo
Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy
Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy
Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. [1.1]
Explanations in English Glory, honor [1.7]
Explanations in French Gloire, honneur [1.3, 1.8]
 Grade, dignité [1.3]
 (de vony : fleur et ahitra : les herbes, notamment les Poaceae). Nom qui a pris le sens abstrait de : honneurs, grades militaires, dignité, etc. Les rois malgaches se comparaient eux-mêmes aux fleurs des Poaceae ; leur peuple représentant les racines et les tiges, d'où la notion de solidarité entre le peuple et son roi : si les tiges se fanent, la fleur est également détruite [1.196]
Examples 
1tamin' ny Alakamisy 3 Septembre 1868 no nisehony tamim-boninahi-lehibe tao Andohalo [2.649]
2nampodina avokoa ny Voninahitry izay niongana tamin dReniny, dia nody ny Voninahitro [2.59]
3Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [2.366]
Morphology 
Simple : voninahitra, voninahitro, voninahitrao, voninahiny, voninahitsika, voninahitray, voninahitrareo, voninahitr', voninahi-, voninahitry
Prefixed : -boninahitra, -boninahitro, -boninahitrao, -boninahiny, -boninahitsika, -boninahitray, -boninahitrareo, -boninahitr', -boninahi-, -boninahitry
Compound words 
Phytonyms 
Abbreviation 
Proverbs 
Articles 

Updated on 2023/06/06