Entry vonosotry
Elementary words vono ; sotry
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fomba fitsapana ny tangena amin' ny akohokely mba hampisehoana fa ny tangena dia mpitsara mahay: akohokely roa no alain' ny mpanozon-doha ka ampisotroiny tangena efa tokoaviny mialoha avy, ka ilay voalohany tokoaviny ho faty dia maty; ilay faharoa kosa, tokoaviny ho velona dia velona (araka ny filazan' ny tantara, dia nisy fomba miafina namonoan' ilay mpanozondoha ilay akohokely voalohany, fa tsy ny herin' ny tangena akory no mahafaty azy) [1.1]
 [ vono sotry ] Fampisotroana tangena ny akohokely roa, ka izay tokoavina ho velona dia velona ary izay tokoavina ho faty dia maty, mba hoentina manambara fa mitsara ara-pahamarinana ny tangena, tamin' ny andro fampinomana fahizay [1.1]
Explanations in French [ vono sotry ] (ancien) (de vono : tuer). Épreuve qui consistait à administrer le tangena à un poulet pour voir s'il était tué, avant de l'administrer aux inculpés, lors d'une ordalie [1.196]

Updated on 2023/08/19