Entry Madagasikara
Part of speech name (toponym) [full list]
Explanations in Malagasy Anglisy sy frantsay "Madagascar": izany no nogasiana hoe Madagasikara. Araka izany, ny fanononana sy fanoratana azy dia tokony hatao hoe Madagaskar. Anefa nony anaovana tononkalo izy hita fa mety ny asiana ny litera I eo amin' ny vakiteny fahefatra sy A eo amin' ny farany, ka dia tonga hoe Madagasikara izy. [1.10]
Examples 
1Marina ve ny Iroe : Radama, Mpanjakan' i Madagasikara? [2.113]
2Nisokatra teny Ankatso ny Oniversiten' i Madagasikara. [2.356]
3Noho i Madagasikara tsy toy ny andro taloha intsony va? [2.270]
Vocabulary 
Synonyms bokiny ~ dago
Compound words 
Titles Lakroan' i Madagasikara
Madagasikara
Madagasikara (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Ny Daty Malaza (Rabary Jean-Joseph)
Ny Fiangonana eo amin'ny Fiaraha-monina eto Madagasikara
Tantaran' i Madagasikara (Ralaitafikia)
Tantaran' i Madagasikara isam-paritra
Other spellings 
Analogs  Bokiny ~ Dago ~ Kiera-be ~ Madagascar ~ Madagaskar
  Madagascar: Continent of the Malagasy
Illustrations 

Entry madagasikara
Part of speech noun
Explanations in French Du nom de l'île de Madagascar dont cette plante pourtant récemment introduite est curieusement devenue le symbole, sans doute en raison de l'association d'idées entre « Île rouge » et bractées rouges. La feuille pliée en deux a la forme de l'île. Poinsettia pulcherrima (Willd. ex Klotzsch) Graham (Euphorbiaceae) ou Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch (Euphorbiaceae). Arbuste décoratif originaire du Mexique, cultivé dans les jardins et se reproduisant facilement par boutures. Il a été introduit à Tananarive en 1923 par Edmond François, alors Directeur des Parcs et Jardins. Un timbre malgache a reproduit cette plante et ses grandes bractées rouges sont devenues un motif habituel des brodeuses tananariviennes. [1.196]
Scientific name Euphorbia pulcherrima, Poinsettia pulcherrima
Vocabulary 

Entry Madagasikara
Elementary words Madagasikara
Part of speech name (book title)
Subtitle Ilay nosy mbola nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny
Author Bakke Jon Erik, Randrianirina Philippe, Razafimamdimby Andriamanohisoa
Publishings 1994. Pages: 48.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Entry Madagasikara
Elementary words Madagasikara
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Razakandraina Jean Verdi Salomon
Text 
Mihira anao avokoa, ô ry Madagasikara,
Ny alanao mikirindro L ny ravinala sy akondro,
Ny ravintsara sy rofia, ny tanety tsy hita fara,
Ny tendrombohitra efa konka, lanin-driaka, efa mondro.

Mihira anao izy ireny! Fa izay tsy hita intsony
Ary tsy ahitan-teny dia ireo tanàna fahizay
Lasa haolo, anaty vero, matory fahizay ka tony
Ao anaty hadivory, misaona toa mangaihay.

Miova lasy ny tanàna, mamonjy ireo toeran-donaka !
Eny an-dohasaha indray no misy setroka midonaka,
Ary eny ny korana, miravoravo fahavokarana…

Miova endrika izy ireny ary mbola hiova endrika
Hahitana fiezahana ho amin'ny fonena-mendrika !
Andro vaovao izao fa ny lasa dia nifarana...
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/06/12