Entry onena
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Mangoraka, malahelo, miombona alahelo amin' ny olona ory na mijaly: Onena an' io mahantra io aho hany ka manome volakely azy isaky ny mandalo eo aminy
Hetsehim-po: Onena daholo ny olona nandre ny lahateniny [1.1]
Explanations in English Low-spirited, dejected. It governs the accusative case. [1.2]
 To feel sorry for someone [1.7]
Explanations in French Impressionné, attendri, qui ressent de la compassion, ému: Onena azy ory aho (Je suis attendri par ses souffrances) ~ Onena aho nandre izany laha-teny izany (J’ai été ému en entendant ce discours) [1.3]
 Avoir pitié [1.8]
Examples 
1Onena ny fahadalako izy. [2.471]
2Onena anareo aho, hoy izy nihatsaravelatsihy, nefa atao ahoana moa fa izany no lalàn' ny tany [2.5]
Vocabulary 
Derivatives 
Analogs  antra ~ malahelo ~ ngoaina ~ hontsa ~ toro aty ~ mangotika aty ~ manotika ny kibo ~ mangoraka ~ mangora-po ~ mitsetra ~ mitse-po ~ mifaditrovana ~ mamelovelo fo

Updated on 2020/07/31