<- -> |
[King James Bible] 1st Samuel |
[Baiboly 1865] 1 Samoela |
[Baiboly Katolika] Samoela I |
[Bible de Jérusalem] 1er Livre de Samuel |
||||||||||||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
|||||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:1 | And the men of |
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran' i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon' i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an' i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran' i Jehovah izy. | Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampakatra ny fiaran' ny Tompo, nentiny nankany an-tranon' i Abinadaba any amin' ny havoana; ary Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny fiaran' ny Tompo. | Les gens de |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:2 | And it came to pass, while the ark abode in |
Ary hatramin' izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran' i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak' Isiraely rehetra nalahelo an' i Jehovah. | Hatramin' ny andro nametrahana ny fiaran' ny Tompo tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin' ny Tompo ny tranon' Israely rehetra. | Depuis le jour où l' arche fut installée à |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:3 | And |
Ary hoy Samoela tamin' ny taranak' Isiraely rehetra: Raha miverina amin' i Jehovah amin' ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an' i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin' ny tanan' ny Filistina Izy. | Ka hoy Samoela tamin' ny tranon' Israely rehetra: Raha miverina amin' ny Tompo amin' ny fonareo rehetra tokoa hianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin' ny Tompo ny fonareo, ka izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin' ny tànan' ny Filistina izy. | Alors |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:4 | Then the children of |
Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak' Isiraely ka nanompo an' i Jehovah irery ihany. | Dia nesorin' ny taranak' Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka Iaveh irery ihany no notompoiny. | Les |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:5 | And |
Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin' i Jehovah ho anareo aho. | Ary hoy Samoela: Vorio any Masfà Israely rehetra ary hivavaka amin' ny Tompo ho anareo aho. | |||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:6 | And they gathered together to |
Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan' i Jehovah, sady nifady hanina tamin' izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak' Isiraely tany Mizpa. | Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan' ny Tompo ary nifady hanina tamin' izany andro izany, fa hoy izy: Efa nanota tamin' ny Tompo isika! Ary Samoela nitsara an' Israely tany Masfà. | Ils se rassemblèrent donc à |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:7 | And when the |
Ary rehefa ren' ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak' Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan' ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak' Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina. | Ren' ny Filistina fa nivory tany Masfà ny zanak' Israely ka niakatra ny andrianan' ny Filistina hamely an' Israely. Nandre izany ny zanak' Israely ka raiki-tahotra ny Filistina izy ireo, | Lorsque les |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:8 | And the children of |
Dia hoy ny Zanak' Isiraely tamin' i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin' i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin' ny tanan' ny Filistina. | ka hoy ny zanak' Israely tamin' i Samoela hoe: Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin' ny Tompo Andriamanitsika, mba hamonjeny antsika amin' ny tànan' ny Filistina. | Ils dirent à |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:9 | And |
Dia naka zanak' ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah; dia nitaraina tamin' i Jehovah ho an' ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah. | Naka zanak' ondry mbola minono Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an' ny Tompo, dia nitaraina tamin' ny Tompo ho an' Israely Samoela, ka nohenoin' ny Tompo. | |||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:10 | And as |
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin' ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin' ny Filistina tamin' izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan' ny Isiraely izy. | Mbola manatitra ny sorona dorana eo Samoela, no tamy hamely an' Israely ny Filistina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin' ny Filistina kosa Iaveh tamin' izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan' Israely. | Pendant que |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:11 | And the men of |
Ary ny lehilahy amin' ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin' i Beti-kara. | Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin' Israely, ka nanenjika ny Filistina, sy namely azy hatrany ambanin' i Beti-Kara. | Les gens d' |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:12 | Then |
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan' i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen' i Jehovah isika hatramin' izao. | Naka vato Samoela napetrany teo anelanelan' i Masfà sy Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: Efa novonjen' ny Tompo isika hatramin' izao. | Alors |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:13 | So the |
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin' ny fari-tanin' ny Isiraely intsony; ary ny tànan' i Jehovah namely ny Filistina tamin' ny andro rehetra niainan' i Samoela. | Nony voaetry toy izany ny Filistina, dia tsy niverina teo amin' ny faritanin' Israely intsony; fa namely ny Filistina ny tànan' ny Tompo, tamin' ny andro rehetra niainan' i Samoela. | Les |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:14 | And the cities which the |
Ary ny tanàna izay efa nalain' ny Filistina tamin' ny Isiraely dia azon' ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin' ireo dia nalain' ny Isiraely tamin' ny tanan' ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita. | Ka ny tanàna nalain' ny Filistina tamin' Israely, tafaverina amin' Israely indray, hatrany Akarona ka hatrany Geta; ny faritanin' izy ireo dia nalain' Israely teo an-tànan' ny Filistina. Ary ny Amoreana, nihavana tamin' Israely. | Les villes que les |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:15 | And |
Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin' ny andro rehetra niainany. | Nitsara an' Israely tamin' ny andro rehetra niainany Samoela. | |||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:16 | And he went from year to year in circuit to |
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin' ireo tanàna rehetra ireo. | Isan-taona, dia nandeha izy nitety an' i Betela sy Galgalà ary Masfà ka nitsara an' Israely tamin' ireo fitoerana rehetra ireo. | Il allait chaque année faire une tournée par |
||||||||||||||||||||||||||||||||
1Sm / 1Sam 7:17 | And his return was to |
Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an' i Jehovah. | Rahefa izany dia niverina any Ramà izay nisy ny tranony izy, dia nitsara an' Israely tao, ary nanorina otely tao ho an' ny Tompo. | Puis il revenait à |
||||||||||||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
|||||||||||||||||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] 1st Samuel |
[Baiboly 1865] 1 Samoela |
[Baiboly Katolika] Samoela I |
[Bible de Jérusalem] 1er Livre de Samuel |