|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | hambahamba (hamba) | |
| Sokajin-teny | anarana | |
| Fisalasalana, tsy fahavononana ka miahotrahotra: Aza matahotra fa hataoko tsy misy hambahamba io Fiatoatoana raha miteny. Mihambahamba, misalasala, miahanahana, miahotrahotra, miherohero [1.1] | ||
| Indecision, hesitation [1.2] | ||
| Ohatra | Koa raha hanao hambahamba ianareo, ka ny ahy tsy asehonareo fa vilia aman-tapa-kazo amam-panaovan-jiro sy tongodatabatra sy vilany vy no asehonareo eto Antsahatsiroa, koa tsy ireny no ahy nalainareo fa fanakareo ireny, fa hafa ny ahy.
[2.298] | |
| Sampanteny | ||
| Tovy hevitra | hamba | |
| Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |
|