|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 indro |
| Sokajin-teny | 2 tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4 behold! Lo! Here! This is it! See indry.
[1.2] 5 behold! look! there he (she, it) is! [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 voici, voilà
[1.3#280] 7 le (la) voilà [1.8] |
| Ohatra |
8 indro ny volanao.
[2.4#77]
9 indro avereno izy! [2.298#129] |
| Fikambanana | 10 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe indro |
| Teny iditra (2/2) | 11 Indro |
| Singan-teny | 12 indro |
| Sokajin-teny | 13 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 14 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
15 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
16 17 Indro ny Zanakavavin’ny Alina 18 Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina… 19 ‘Ndeha handro izy iny… 20 Ny volony lava toa setroka oly, 21 Ny maso baliakany toa hanangoly… 22 Mandrendri-bahiny!… 23 Mba mahina angaha sao misy mahita 24 Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita 25 dia indro tokoa… 26 Ingahy masoandro misalotra mena 27 malaina handao an’ity fijerena 28 An-dRavolana soa!… 29 Dia indro fa nihaona ny masony roa 30 Ka menatra indrindra Ravolana soa 31 Noraisiny haingana 32 ‘lay rahona kely mba sendra nandalo 33 ho enti-manafy an’ity tena mimalo 34 tsy ho hita mivaingana… 35 Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava… 36 Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava! 37 …Dia tena nitranga! 38 Nisosa malako, nandeha nilomano 39 namaky ny ony ‘zay manganohano: 40 Ny lanitra manga! |
| Fivaditsoratra | Indro, indro, 41 ondry |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/10/21 |
|