|
|
|
|

Entry1  alobotra
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Health
Explanations in Malagasy  4  Aretina noheverin' ny razana fa mahavoa ny zaza. Vaventy nefa mihodrahodra ny zaza lazainy fa misy alobotra, mavesatra koa ny zaza izay vaventy noho ny fahasalamany dia mavibika, fa tsy mba mahavesatra toy izany. Dia ambarany koa fa mpivalambalana ny zaza misy azy, ka ny fivalanana mandeha amin' izany dia mitsiloliloly, izay lazainy fa aretina mivoaka. [1.10#A.230]
5  Aretin-jaza mahatonga azy hihodrohodro, ho botabota toa matavy rano [1.1]
Explanations in English  6  [botra, plump.] A disease of children which makes them look plump. [1.2]
Examples  7  fa nony nakekena, ny anankiray rombina, ary ny anankiray alobotra. [2.69#247]
8  Mifanohitra amin' io alofisaka io kosa ny alobotra izay mahatonga ny zaza ho diso fitombo loatra ka manjary mohaka be. [2.643#213]
Elementary words  9  alo, botra
Proverbs  10  Proverbs containing the word alobotra

Updated on 2023/02/18