|
|
|
|

Teny iditra (1/8) 1  fe-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe fetra
Ohatra  3  koa raha lany ny fe-taonan'ny sasany dia nody izy. [2.366#214]
4  Ny fe-potoana iasany dia fito taona tsy azo havaozina. [1.320]
5  mikotaba ny zana-bahoaka fa voantso fe-maraina ny lanonana [1.296]
6  Ary raha efa lany ny fe-taona sy ny fe-bolana nifanaikena dia miala izy. [2.366#232]
Fikambanana  7  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny how fe

Teny iditra (2/8) 8  fe
Sokajin-teny  9  anarana
Fanazavàna teny malagasy  10 ny faritra eo anelanelan-ny fitombenana ary ny lohalika amin-ny olona sy ny biby manan-tongotra [1.10#F.439]
11 Faritry ny rantsam-batana ambany hatreo amin' ny valahana no ho midina ka hatreo amin' ny lohalika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 the thigh [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 cuisse [1.8]
Haiendriteny 
14  Tsotra :
15  Tovonana :
Voambolana  16  Haiaina
Renianarana 
Anarana iray reny 
Fikambanana  23  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 30 misy ny teny how fe
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/8) 25  fe
Sokajin-teny  26  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  27 [Antemoro] hajambana
28 jamba [1.78]
29 [Antesaka+Bara+Tanala] jamba [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  30 [Antesaka] aveugle [1.82]

Teny iditra (4/8) 31  fe
Sokajin-teny  32  anarana
Fanazavàna teny malagasy  33 [Bara] fehem-baravarana, tolana [1.10#F.439]
Fanazavàna teny anglisy  34 [Provincial] for tolana [1.2]

Teny iditra (5/8) 35  fe
Sokajin-teny  36  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  37 [Betsileo+Bara] noho, satria, saingy
38 anefa [1.10#439]
39 [Bara+Tanosy] nefa [1.78]
40 [Bara] fa [1.10#439, 1.78]
41 "Fa hoe" (teny ampiasaina eo anelanelan' ny teny roa mba hilazana fa anarany fotsiny ny teny lazaina no manao ny asa voalazan' ilay teny voalohany saingy hoe manana ny toetra voalazan' ilay teny faharoa, fa raha ny marina tsy izany velively): Mitsangam-pe olona: mitsangana fa hoe olona, mitsangana saingy hoe olona, fa tsy manana ny tena maha-olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  42 used for the conjunction fa [1.2]

Teny iditra (6/8) 43  fe
Sokajin-teny  44  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  45 Teny kely ampiasaina eo anelanelan' ny teny iray miverina indroa, ilazana toetra na asa tsy zarizary: Manao fe manao: zara raha manao, manao tsy zarizary. (Tsara homarihina fa ity teny itỳ dia mifanohitra amin' ilay teny hoe: "dia", izay mitovy fampiasa indrindra aminy fa ny heviny kosa mifanohitra amin' ny azy: Manao dia manao: tena manao marina tokoa) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  46 used for emphasis as follows: teniko fe lehibe, manao fe manao [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  47 comme-ci comme-çà [1.3, 1.8]
48 Se place entre un nom, un adjectif ou un verbe qui se répète, et lui donne le sens adverbial de : à peu près, un peu, pas trop, par acquit, sans zèle, avec indifférence: Trano fe trano io (C'est une maison comme ci comme ça) ~ Mazoto fe mazoto izy (Il est un peu zélé, pas trop zélé) ~ Olona fe olona izy (C'est un individu comme ci comme ça, un peu bête, un peu inabordable) ~ Manao fe manao (Faire à peu près, par manière d’acquit) ~ Homana fe homana (Manger sans goût) [1.3]
Fikambanana  49  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 9 misy ny teny how fe

Teny iditra (7/8) 50  fe
Sokajin-teny  51  anarana
Fanazavàna teny malagasy  52 [Betsimisaraka] karazan-kazo salasalany any amin-ny Betsimisaraka [1.10#F.439]
Fanazavàna teny frantsay  53 [Betsimisaraka] arbre indéterminé [1.196]
Voambolana  54  Haizavamaniry

Teny iditra (8/8) 55  Fe    
Sokajin-teny  56  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  57 Vy. Singa mivaingana, faha-26 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  58 iron [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  59 fer [3.1]
Voambolana  60  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  61  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/06