Entry miantoka (antoka)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Milaza ny tena ho tompon' andraikitra momba ny zavatra Iray raha very na simba na tsy vita araka ny fifanarahana fo zavatra io, ka manao izay hiverenany na hahavitany: Aza matahotra ianao fa izaho no miantoka ny volanao nosamborin-dRakoto
Milaza fa ny tena no tompon' andraikitra momba ny toetran' olona iray na zavatra iray: Izaho no miantoka io voampanga io fa aoelao aloha izy hody any amin' ny fianakaviany
Mandray ho andraikitra ny fandoavana ny vola lany: Tsaboy tsara ity marary ity fa izaho no hiantoka izay lany [1.1]
Explanations in English To be surety for. [1.2]
 To guarantee; to carry the expense of; to insure, to go good for [1.7]
Explanations in French Garantir; se charger des frais de; assurer [1.8]
Examples 
1Fantatro anefa fa tsy miantoka na inona na inona izany. [2.472]
2Miasa andro aman' alina ny sambo amin' ny fanondranana entana, saingy efa-dahy izahay no miantoka ny fanisana entana, ka roa lahy isaky ny miditra. [2.471]
Morphology 
Present : miantoka
Past : niantoka
Future : hiantoka
Imperative : miantoha
Proverbs 

Entry miantoka (antoka)
Part of speech active verb
Explanations in English To nod assent. [1.2]
Morphology 
Present : miantoka
Past : niantoka
Future : hiantoka
Imperative : miantoha

Anagrams 

Updated on 2022/09/05