|
|
|
|

Teny iditra (1/13)1  la
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 fototeny milaza tsi-fanekena, fanoherana, fikirizana, tsy hanaiky, tsy hanao. (Rahefa asiana tovona hakambana aminy izy dia miova ho D ny L voalohany, araka ny efa voazava etsy ambony amin'ny hoe L = D). -- Indreto ny teny niaviany: Soehily la (tsy, tsia); Mag. enda (tsia), menda (mandà); Tir. enda (tsia); Maley enggan (mandà).
4 Tovona: man, maha, mampan, mifan, mampifan, fan, mpan. Ny tovona voa sy tafa dia tsy mety aminy; tsy fanao ny hoe voalà sy tafalà na dia hita ao amin'ny diksionera sasany aza izany [1.10]
5 fandavana [Taisaka] [1.78]
6 mandà, miodina [Bara] [1.78]
7 tsy fetezana hanao, tohitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 root of the following [compare to Swahili la, meaning no]: voala, lavina, mandà, mandandà, mafy la [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  9 refus [1.3, 1.5]
10 reniement, renoncement, rejet, négation [1.3]
11 qu'on refuse, qu'on nie, qu'on rejette [1.8]
12 action de nier, de refuser [1.14]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  25 mafy la

Teny iditra (2/13)26  la
Sokajin-teny  27  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  28 si [Tanala] [1.6]

Teny iditra (3/13)29  la
Sokajin-teny  30  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  31 teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe DA na DIA. Ohatra: la tsara! : tsara! da tsara! : tsara dia tsara! la maro eke! : dia marobe re izy izany! [1.10]
32 teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe EFA. Ohatra: La maty va? : efa maty va? [1.10]

Teny iditra (4/13)33  la
Sokajin-teny  34  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  35 tonta (fiasana), mihintsana (volo) [Taisaka] [1.78]

Teny iditra (5/13)36  la-
Sokajin-teny  37  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  38 ny mpanondro anaram-bavy tokana amin'ny teny frantsay hoe LA no nakambany Malagasy amin'ny anarana tondroiny nony nogasiny ilay teny frantsay, toy ny hoe: latabatra (la table), lasoa (la soie), lasopy (la soupe), lapoely (la poêle), labiera (la bière), labozia (la bougie), ets. ets. [1.10]

Teny iditra (6/13)39     
Sokajin-teny  40  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  41 ao, etsy, eroa erỳ, izany, izay. Mettez là ce livre: apetraho ao (etsy, eroa) ity boky ity. Il était là tout à l'heure: vao haingana izy no tao. De là au village il y a deux cents pas: hatrao ka hatramy ny tanàna dia misy roan-jato mandingina. [1.4]
Fanazavàna teny frantsay  42 any, tany, ho any: là, à une certaine distance, pas visible
43 àny ho àny: quelque part là-bas; bientôt. [1.8]
44 ao, tao, ho ao: là (pas visible) [1.8]
45 eroa, teroa, ho eroa: là bien loin, visible [1.8]
46 indry: voilà! là! [1.8]
47 injao: là! (tout près) [1.8]

Teny iditra (7/13)48  la    
Sokajin-teny  49  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  50 ny: La lune (Ny volana) [1.4]
Mpanahaka  51  le, 52  les

Teny iditra (8/13)53  la    
Sokajin-teny  54  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  55 izy/,>, azy: Je la vois (Hitako izy, mahita azy aho) [1.4]
Mpanahaka  56  le, 57  les

Teny iditra (9/13)58     
Sokajin-teny  59  tambinteny [Fitanisana]

Teny iditra (10/13)60  la    
Sokajin-teny  61  mpanoritra [Fitanisana]

Teny iditra (11/13)62  la    
Sokajin-teny  63  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  64 Ny feo fahenina amin' ireo ambaratongam-peo fito amin' ny gama [1.1]
65 laharana faha-6 avy ambany amin-ireo litera renisoratra valo natao solom-peo amin'ny solfa, dia ireto izany (atomboka avy ambany): DO, RE, MI, FA, SOL, LA, SI, DO. [1.10]
Voambolana  66  Feon-kira: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  67  do, 68  fa, 69  mi, 70  re, 71  si, 72  sol
Sary 

Teny iditra (12/13)73  La    
Sokajin-teny  74  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  75 Singa mivaingana, faha-57 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  76 Lanthanum. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  77 Lanthane. [3.1]
Voambolana  78  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  79  Fisokajiana miherina

Teny iditra (13/13)80  LA    
Sokajin-teny  81  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  82 Fanafohezan-tenin' i Los Angeles (adika hoe ny anjely rehetra): tanàna lehibe ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
83 Fanafohezan-tenin' i Louisiana: fanjakana amin'ny ireto fanjakana dimam-polo ireto ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
Voambolana  84  Haitoetany: tanàna
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08