Entrée aoriana
Partie du discours adverbe [liste complète]
Explications en malgache  [Rajemisa 1985 page 100] Enti-milaza toerana mifanohitra amin' ny aloha, izany hoe manarakaraka ny toerana hafa iray teo aloha: Ny zomà dia aorian' ny (na aorianan' ny) alakamisy
¶ Enti-milaza fotoana mifanohitra amin' ny aloha, izany hoe manarakaraka ny fotoana hafa iray teo aloha: Mipetraha ianao avy eto aoriana ~ Jereo ao aoriananao fa misy alika kely manaraka anao
¶ Ny teny hoe "aoriana" ialohan' ny mariky ny lasa "t" ka ampiasaina hilazana fotoana: Tonga taorian' ny zandriny izy
¶ (Marihina fa samy hafa amin' ny "tao aoriana" io, izay misy ny teny "aoriana" ihany fa ialohan' ny "tao" milaza toerana, ka ampiasaina kosa hilazana toerana: Nipetraka tao aorian' i dada aho)
Explications en anglais  [Richardson 1885] back, behind, backward, passed. This word admits the suffix pronouns and tenses.
  [Hallanger 1973] after, afterwards
Explications en français  [Abinal 1888 page 58, Hallanger 1974] après, derrière
  [Abinal 1888 page 58] en retard: Tonga aoriana hianao (Vous arrivez en retard)
Dérivations 
Morphologie 
aoriana
aorianako, aoriako
aoriananao, aorianao
aorianany, aoriany
aorianantsika, aoriantsika
aoriananay, aorianay
aoriananareo, aorianareo
aorianan', aorian'
aorianan-, aorian-
aorianam-, aoriam-
aoriana-, aoria-
taoriana
taorianako, taoriako
taoriananao, taorianao
taorianany, taoriany
taorianantsika, taoriantsika
taoriananay, taorianay
taoriananareo, taorianareo
taorianan', taorian'
taorianan-, taorian-
taorianam-, taoriam-
taoriana-, taoria-
Antonymes 
Exemples 
1 [Abinal 1888, page 58] Avy eo aoriana izy (Il vient là derrière)
2 [Abinal 1888, page 58] Tonga taoriako izy (Il est arrivé après moi)
3 [Callet: Tantara, page 521] ary ny nilaza taloha, teraka taoriana.
4 [Andraina: Mitaraina, page 231] Tonga tokoa i Tondra taoriana kelin' ny misasakalina.

Mis à jour le 2022/07/01