|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  dadabe
Singan-teny  2 dada, 3 be
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Fiantsoana ny rain' ny ray na ny rain' ny reny: Andeha ho aiza ianao, ry dadabe ?
6 Kakibe, fa azo ampiasaina koa hilazana tsotra ny rain' ny ray na ny rain' ny reny; raibe: Lasa any an-tsena i dadaben' i Soa
7 Teny fanajana ilazana lehilahy efa zokiolona tokony hanana zafikely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 a grandfather [1.2]
Ohatra  9  Hodinihina izany, ry dadabe. [2.270]
10  Ny dadaben' I Dada, hono, no nanatrika ny toe-javatra. [2.472]
11  Hozakaiko fa anjara dadabeko, hoy aho, nisento moramora. [2.643]
12  dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117]
Haiendriteny 
13  Tsotra :
14  Tovonana :
Voambolana  15  Fifandraisana: fianakaviana

Teny iditra (2/2)16  Dadabé
Singan-teny  17 dada, 18 be
Sokajin-teny  19  anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Voambolana  20  Haisoratra: boky
Mpanoratra  21 Rakotoson Michèle
Mpanonta printy  22  Karthala. 1984. Takila: 116.

Fivaditsoratra  23 Bedada, Dadabé, dadabe

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08