Entry Dieny mbola velona aho
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Text 

Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.

Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.

Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.

Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.

Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/04/02