Entrée fandaingana (lainga)
Partie du discours nom
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] Tsy filazana ny marina mba hamitahana olona: Zava-dratsy ny fandaingana fa hoy ny Ntaolo: Aleo mifanena amin' ny mpamosavy toy izay mifanena amin' ny mpandainga
¶ Fahadisoan' ny mizana izay mahatonga azy hilaza lanja ratsy: Tsy anerany izany fandaingan' ity mizananao

Entrée fandaingana (lainga)
Partie du discours nom
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] Ilay lempona kely eo amin' ny takolaka ambanimbany izay hita miseho tsara rehefa mitsiky
Explications en anglais  [Richardson 1885] [Rel. s. from mandainga (lainga).] A dimple on the face, a dimple in the cheeks when laughing.

Mis à jour le 2020/07/31