|
|
|
|

Teny iditra (1/17)1  Josefa
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Josefa Patriarka - Zanak' i Jakoba tamin-dRahely izy, ary teraka tao Harana tokony ho tamin'ny 1873 B. C. (Gen. 30.24). Tsy dia ela loatra taorian'ny nahaterahany no nialan' i Jakoba tao Harana, hiverina ho any Kanana, fa raha tonga tao akaikin' i Efrata izy, dia maty Rahely (Gen. 35.18, 19). Tokony ho zazalahy tsara fanahy Josefa ka nanoa tsara ny rainy ; ary noho izany, sady satria zana-dRahely, ilay vady tiany indrindra izy, dia fatratra ny fitiavan'i Jakoba azy. Fantatry ny rahalahiny izany, ka izany no nankahalany an' i Josefa. Angamba koa fanaon' i Josefa ny nilaza tamin' i Jakoba ny zava-dratsy nataon' ny rahalahiny, «fa Josefa nitati-bolana tamin-drainy » (Gen. 37. 2). Kanefa izay nahalotika ny fon'izy ireo indrindra dia ny nofin' i Josefa, izay nolazainy koa tamin' ny rahalahiny (Gen. 37. 5-11). Mora hitan' i Jakoba sy ny zanany rehetra ny hevitr' izany nofy izany, dia ny hanompoan' izy rehetra an' i Josefa, ka na dia Jakoba aza dia toa sosotra kely tamin' i Josefa ihany, vao mainka fa ny rahalahiny, izay efa nankahala azy rahateo. Nohajain' ny olona indrindra ny nofy tamin' izany andro izany, ary saiky mandrakariva dia ninoana ho fanambaràna zavatra ho avy izany. Noheverin' i Jakoba sy ny zanany fa tsy ho tanteraka izany nofy izany ; kanefa dia tanteraka tokoa izany tamin' ny fotoana mety. ... [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  4 Joseph, the elder of the two sons of Jacob by Rachel [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  5 Joseph, fils de Rachel, femme de Jacob [2.996]
Voambolana  6  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  7 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (2/17)8  Josefa
Sokajin-teny  9  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  10 Joseph, father of Igal [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  11 Joseph, père d'Yigéal [2.996]
Voambolana  12  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  13 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (3/17)14  Josefa
Sokajin-teny  15  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  16 Joseph, a lay Israelite of the family of Bani [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  17 Yoseph, des fils de Bani [2.996]
Voambolana  18  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  19 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (4/17)20  Josefa
Sokajin-teny  21  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  22 representative of the priestly family of Shebaniah [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  23 Yoseph de Shebanya [2.996]
Voambolana  24  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  25 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (5/17)26  Josefa
Sokajin-teny  27  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  28 Joseph, son of'Asaph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  29 Yoseph, fils d'Asaph [2.996]
Voambolana  30  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  31 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (6/17)32  Josefa
Sokajin-teny  33  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  34 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  35 Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Voambolana  36  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  37 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (7/17)38  Josefa
Sokajin-teny  39  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  40 a Jewish officer defeated by Gorgias about 164 BC. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  41 Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Voambolana  42  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  43 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (8/17)44  Josefa
Sokajin-teny  45  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  46 Joseph, named among the brethen of Judas Maccabeus apparently in place of John [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  47 Joseph, frère de Judas Maccabée [2.996]
Voambolana  48  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  49 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (9/17)50  Josefa
Sokajin-teny  51  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  52 Joseph, an ancestor of Judith [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  53 Joseph, arrière-grand-père de Judith [2.996]
Voambolana  54  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  55 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (10/17)56  Josefa
Sokajin-teny  57  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  58 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  59 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Jonan [2.996]
Voambolana  60  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  61 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (11/17)62  Josefa
Sokajin-teny  63  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  64 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  65 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Judah [2.996]
Voambolana  66  Soratra Masina

Teny iditra (12/17)67  Josefa
Sokajin-teny  68  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  69 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  70 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Mattathias [2.996]
Voambolana  71  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  72 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (13/17)73  Josefa
Sokajin-teny  74  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  75 zanak' i Oziasa, rain' i Merarì [2.996]
Fanazavàna teny anglisy  76 Joseph, son of Oziel, father of Merari [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  77 Joseph, fils d'Oziel, père de Merari [2.996]
Voambolana  78  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  79 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (14/17)80  Josefa
Sokajin-teny  81  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  82 anankiray tamin' ny rahalahin' ny Tompo (Mat. 13.55) [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  83 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  84 Joseph, un des frères de Jésus [2.996]
Voambolana  85  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  86 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (15/17)87  Josefa
Sokajin-teny  88  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  89 Josefa, vadin' i Maria, ary noheverina ho rain' i Jesosy. Ny Jiosy rehetra dia samy nitahiry ny tetiarana momba ny razany, ka faly tokoa izy raha azony atao ny manaporofo fa taranaky ny mpanjaka na ny mpisorona izy. Josefa dia nahazo nirehareha fa taranak'i Davida izy (Mat. 1. 20). Betlehema tanànan' i Davida no tanindrazany, saingy nifindra monina tany Nazareta izy (Lio. 2. 4) ; ary ny raharaha nahazoany fivelomana dia ny rafitra (Mat. 13. 55). Nalainy ho fofombadiny i Maria, izay nonina tany Nazareta koa. Josefa angamba dia zokin' i Maria lavitra tamin' ny taona niainany. Kely foana no hita ao amin' ny Filazantsara ny amin' i Josefa ; nefa izay voalaza dia mampiharihary ny fahatsaran-toetrany. (a) Tena Israelita marina tokoa izy, ka nanaja tsara ny fomba amam-panaon' ny Jiosy (Lio. 2. 21-24), mbamin'ny fitandremana ny Andro Firavoravoana (Lio. 2. 41, 42). (b) Lehilahy nalemy fanahy sy antra olona izy. Rehefa hitany ny toetran' ny fofombadiny dia velona eritreritra mafy izy, ka nanapa-kevitra hametraka azy ; nefa nokasainy hatao mangina izany mba tsy ho afa-baraka eo imason' ny olona ilay fofombadiny. Rehefa nilazana ny marina anefa izy dia tsara mihitsy ny fitòndrany an' i Maria. Koa nony niakatra ho any Betlehema izy mba hisoratra, araka ny didin' ny mpanjaka, dia tsy nilaozany irery tao Nazareta i Maria, fa nentiny niaraka taminy kosa mba tsy ho tanisain' ny manta vava amin' ny endrikendrika manorisory (Lio. 2. 1-7). (d) Izany toetra mahate-hidera izany dia nasehony koa tamin' ny fitaizana ny Zaza, izay napetrak' Andriamanitra ho adidiny. Noraisiny tamin' ny fitiavana tanteraka ity Zaza ity ka mendrika tokoa ny iantsoana azy ho « rainy » (Lio. 2. 33, 41, 48 ; Mat. 13. 55 ; Jao. 1. 45 ; 6. 42). Koanefa dia tsy miseho intsony ao amin' ny Filazantsara ny tantaran' i Josefa taorian' ny niverenany avy tany Jerosalema, rehefa tonga taona ho « Zanaky ny Lalàna » Jesosy (Lio. 2.41-51). Ary satria ny anaran' i Maria ihany no hita ao amin' ny tantara momba ny nanaovan' i Jesosy ny raharahany, dia azo heverina fa maty teo anelanelan' ireo fotoana ireo Josefa. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  90 Joseph, son of Eli, and reputed father of Jesus Christ [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  91 Joseph, l'époux de Marie [2.996]
Voambolana  92  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  93 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (16/17)94  Josefa
Sokajin-teny  95  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  96 Josefa avy any Arimatia. "Lehilahy manankarena" (Mat. 27. 57), sady tsara fanahy, ary isan' izay nandevina an' i Jesosy izy. Marka dia milaza azy ho "lehilahy manan-kaja, izay isan' ny Synedriona, sady niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa " (Mar. 15.43) ; ary Lioka kosa milaza azy ho "lehilahy tsara fanahy sady marina" (Lio. 23.50). Tsy nankasitraka ny hevitry ny namany tao amin' ny fivorian' ny Synedriona izy ny amin' ny hamonoana an' i Jesosy; kanefa kosa toa tsy dia niseho ho nisakana izany loatra ; angamba aza tsy nitranga tamin' ny fivoriana niheverana izany izy. Nolazain' i Jaona mazava fa na dia mpianatr' i Jesosy eza izy, " dia tamin' ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy " (Jao. 19.38). Kanefa rehefa maty ny Tompo dia tsy nahalala tahotra intsony izy. Marka milaza fa " saby niditra tao amin' i Pilato izy, ka nangataka ny fatin' i Jesosy (Mar. 15.43). Araka ny fomba mandrakariva, ny havana aman-tsakaizan' ny olona novonoina tamin' ny hazofijaliana dia nividy ny fatiny mba ho azo alevina, satria mazàna no ariana hohanin' ny vorona sy ny bibidia ireny faty ireny ; ary Josefa dia tsy maintsy nanaiky hanome an' i Pilato izay vola nilainy tamin' izany, ka dia nomena azy ny faty (Mar. 15.45). Josefa dia nanana tanimboly teo akaikin' i Golgota, izay efa nahavitany fasana nokasainy hilevenan'ny tenany : tao no nandevenan' izy ty Nikodemosy ny fatin' i Jesosy, rehefa avy nohosorany zava-manitra sy nofonosiny "hariry madinika madio " (Mat. 27.57-61; Mar. 15. 42-47 ; Lio.23. 50-56 ; Jao. 19. 38-42). [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  97 Joseph of Arimathea, a rich and pious Israelite who had the privilège of performing the last offices of duty and affection to the body of our Lord [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  98 Joseph d'Arimathie [2.996]
Voambolana  99  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  100 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (17/17)101  Josefa
Sokajin-teny  102  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  103 Josefa Barsabasy. - Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  104 Joseph called Barsabas, and surnamed Justus [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  105 Joseph dit Barsabbas [2.996]
Voambolana  106  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  107 Toko sy andininy momba Josefa

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08