Entrée | mangidy (ngidy) | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | [Rajemisa 1985]
Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza ¶ Masiaka: Mangidy ny sakay ¶ Mampahory izaitsizy, mampangirifiry ¶ Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay ¶ Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany ¶ Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra ¶ Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana ¶ Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina | |||
Explications en anglais | [Richardson 1885, Hallanger 1973] bitter | |||
Explications en français | [Hallanger 1974] amer | |||
Mots composés, titres, noms |
| |||
Exemples | [Andraina: Mitaraina]
Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. | |||
Citations | Proverbes contenant le mot mangidy | |||
Entrée | mangidy | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | [Rakotosaona 1975] [Taisaka] saro-tongavina | |||
Explications en anglais | [Hallanger 1973] expensive | |||
Explications en français | [Hallanger 1974] qui coûte cher | |||
Entrée | mangidy (hidy) | |||
Partie du discours | adjectif | |||
Explications en malgache | [Rakotosaona 1975] [Taisaka] mangidihidy | |||
Explications en français | [Andilidine: Lexique (takila M)] [Sakalava-Mayotte] qui démange, qui donne envie de se gratter | |||
Entrée | mangidy | |||
Partie du discours | nom | |||
Explications en français | [Boiteau 1997] [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. | |||
Vocabulaire | Botanique ~ Santé | |||
Nom scientifique | Physena madagascariensis | |||
Mis à jour le 2020/07/31 |
![]() |