|
|
|
|

Teny iditra 1  matoanteny
Singan-teny  2 matoa, 3 teny
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny.
6 Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy:
7 a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra);
8 b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby);
9 d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana);
10 e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady);
11 f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby);
12 g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny);
13 h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana);
14 i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra);
15 j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra)
16 sokajinteny [1.1]
17 Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. [1.146#75]
18 sokajin-teny afaka miovaova endrika [1.13]
19 sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy [1.62#738]
Fanazavàna teny frantsay  20 verbe [1.13, 1.5#208]
Ohatra  21  Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296#21]
22  matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314#67]
Voambolana  23  Haiteny

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06