Entry milamina (lamina)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Milahatra tsara: Mahafinaritra ny mijery izao boky milamina izao
Mirindra, milanto, mandeha tsara: Hatramin' ny nahatongavan' io mpampiasa io, milamina tsara ny raharaha
Voamboatra, voavitrana, voarindra: Efa milamina ny fihavananay
Tsy mikorontana, voakarakara ka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra: Milamina tsara ianareo izany ~ Izany ka tokantrano milamina
Tsy misy zavatra manembantsembana, misosa tsara: Nilamina tsara ny dianay
Mandeha tsara, mizotra milamina, tsy misy vato manoha riana, tsy misy volo manoha randrana [1.1]
Explanations in English To be arranged, to be in order [1.2]
Explanations in French être arrangé, disposé en ordre, s’arranger; aller, agir à son aise: Milamina tsara ny raharahantsika izao (Notre affaire est maintenant bien arrangée, marche bien) ~ Efa milamina tsara ny fihavananay izao (Nos relations se sont bien arrangées, sont redevenues bien bonnes) ~ Nilamina tsara ny dianay (Nous avons marché bien à notre aise) [1.3]
Examples 
1Amin’ny fotoana milamina, ilaina ny fifanakalozan-kevitra. [4.27]
2Daka milamina, tsy rototra, tsy misy fanontaniana intsony koa. [2.472]
Morphology 
Present : milamina
Past : nilamina
Future : hilamina
Imperative : milana
Derivatives 
Synonyms mimpirina ~ milanto ~ mirindra ~ miravona ~ misononoka ~ misosa

Entry milamìna (lamina)
Part of speech imperative of active verb milamina [full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  [1.3]

Anagrams 

Updated on 2023/01/20