|
|
|
|

Teny iditra 1  mpampiankin-teny
Singan-teny  2 mpampiankina, 3 teny
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra: mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, miresaka momba ny fambolena izy mianaka. Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina:
6 -- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ...
7 -- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, lavitra, noho, afa-tsy, toy: arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ...
8 -- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy irerỳ voalohany raha milaza toerana: tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io).
9 (Ny sokajin-teny miisa 11 amin' ny teny malagasy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 preposition [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  11 préposition [3.1]
Tsipelina hafa  12 mpampiankina
Tsanganana sy sary iray takila  13  Ny mpampiankin-teny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06