Entry | 1 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Part of speech | 2 name (anthroponym) |
Vocabulary |
3 History: individuals 4 Literature: authors |
Explanations in Malagasy |
5 Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox [3.1] 6 Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: Le Cid, Horace ary Andromaque. Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko. [2.313] |
Explanations in French |
7 Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913. Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible, de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé [1.11] 8 -- dans des poèmes: Ny Hirako (1940), Izy Mirahavavy (1946), hiravaRakimalala (1945), Iarivo (1956), Voninkazon' ny tanteraka (1956), Ny fitiavany (1957), Apokalipsy (1957), Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958); [1.11] 9 -- dans ses pièces historiques: Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Ny Ombalahibemaso, Ombalahy savika ombalahy; [1.11] 10 -- ou inspirées de la Bible: Solemita (1949), Estera (1958); [1.11] 11 -- ou traduites du français: Le Cid (1961), Horace (1962), Andromaque (1964) [1.11] |
Elementary words | 12 Razakandraina, Jean, Verdi, Salomon |
Literary works |
13 Ali-mainty mamanala 14 Antsam-pitiavana 15 Asa izany 16 Farany 17 Feo mahery 18 Indro 19 Kintana mamony 20 Madagasikara 21 Ny Ombalahibemaso 22 Ny Varavarankelinao 23 Paiso 24 Tafatoetra 25 Teo amin' ny valsa 26 Tsikitsikinao 27 Tsy hodinganina ny maty 28 1940 Ny hirako 29 1948 Hira va? 30 1949 Solemita 31 1956 Iarivo 32 1956 Voninkazon' ny tanteraka 33 1957 Apokalipsy 34 1957 Ny Fitiavany 35 1958 Estera 36 1958 Fahatsiarovan-tena 37 1958 Izy mirahalahy 38 1958 Mavo handray fanjakana 39 1958 Ombalahy savika ombalahy |
Tables and plates |
40 Full list |
Illustrations |
|
Updated on 2023/11/20 |