Entrée indro
Partie du discours adverbe [liste complète]
Explications en malgache  [Rajemisa 1985] Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao
Explications en anglais  [Richardson 1885] behold! Lo! Here! This is it! See indry.
  [Hallanger 1973] behold! look! there he (she, it) is!
Explications en français  [Abinal 1888 page 280] voici, voilà
  [Hallanger 1974] le (la) voilà
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1 [Andraina: I Vola, page 77] Indro ny volanao.
2 [Rahajarizafy: Kabary, page 129] Indro avereno izy!

Entrée Indro
Partie du discours nom propre (titre de poème)
Auteur Razakandraina Jean Verdi Salomon
 
Indro ny Zanakavavin’ny Alina
Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
‘Ndeha handro izy iny…

Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly…
Mandrendri-bahiny!…

Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa…

Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an’ity fijerena
An-dRavolana soa!…

Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana

‘lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an’ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana…

Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
…Dia tena nitranga!

Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony ‘zay manganohano:
Ny lanitra manga!
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2020/07/31