Entry tsy hita popòka
Elementary words tsy hita ; popòka
Part of speech locution
Explanations in Malagasy Tena very tanteraka, na tsy antenaina ho hita intsony; tsy hita mihitsy izay toerana misy azy; tsy hita avanavana [1.1]
Explanations in French Incompréhensible, qu'on ne peut se figurer [1.3]
Examples 
1Saingy raha mbola tsy nanasa-dàlana akory izy, dia efa tsy hita popoka izay nidifian' i Noro. [2.5]
2Ankizy 4 taona no tsy hita popoka niaraka tamin’ny namany tao amin’ity tanàna ity io talata io [4.11]
Synonyms tsy hita paipaika ~ tsy hita poka ~ tsy hita veroka

Updated on 2023/11/20