Entry voronandrano
Elementary words vorona ; rano
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Karazam-borona, toy ny angaka, arosy... mivelona eny amin' ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan' ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy [1.1]
Examples 
1Nambenana mafy tsy azo naleha teo, ka ny voronandrano nonina teo tsy nisy mpananaitra - nanatody any anaty zozoro any aza. [1.437]
2Ary izao koa no fomba ny heniheny dia azo angalana laoka hafa indray hihinanana vary, fa eo ny voronandrano, sy ny vano-fotsy, sy ny vanomainty, sy ny vorompotsy, sy ny talèvana, sy ny angaka, sy ny arosy na haralahy, sy ny faralambotra, sy ny fotsielatra, sy ny kitanotano, sy ny tsiriry, sy ny vivy, sy ny otrika. [2.48]
Vocabulary 

Updated on 2023/11/20