Entry bokotra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Zavatra vita tamin' ny tandroka na hazo na nifin' elefanta voamboatra boribory ka apetaka amin' ny akanjo mba hanidiana ny laniny roa aminy misaraka: Boko-palitao
Lava-bokotra: lavaka atao amin' ny akanjo izay zairina ny sisiny ary atao hidin' ny bokotra
Zavatra boribory fampandehanana ny vata fandraisam-peo sasantsasany: Ahodino ny bokotra fa tsy tiako izany hira izany [1.1]
Explanations in English A button. [Eng. Button.] [1.2]
 [French bouton] a button. [1.7]
Explanations in French [français bouton] bouton [1.8]
Examples 
1Nanindry bokotra kely teo ankavian' ny latabany izy. [2.471]
2Njay ny an' ialahy", hoy aho namaha ny bokotra malabariko. [2.4]
3Eto dia vozon' akanjo tsy mihidy bokotra fa mivelatra mampiseho tenda. [2.643]
Vocabulary 
Compound words 
Origin English: button. French: bouton.

Anagrams 

Updated on 2023/06/18