Entry |
velona
|
Part of speech | adjective
|
Explanations in Malagasy | Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e! Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao? Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana" Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [1.1]
|
Explanations in English | Living, alive [1.7]
|
Explanations in French | Vivant [1.8]
|
| Tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains [1.196]
|
Examples |
1 | fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona
[2.131]
|
2 | Mbola velona ihany hianao Razay!
[2.324]
|
3 | Filazana toetr'olom-belona hiany izany.
[2.59]
|
4 | Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko?
[2.471]
|
5 | tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko.
[2.472]
|
|
Morphology |
Simple : |
velona,
velon',
velon-,
velom-,
velo- |
Prefixed : |
-belona,
-belon',
-belon-,
-belom-,
-belo- |
Imperative : |
veloma |
|
Derivatives |
Compound words |
|
Zoonyms |
|
Phytonyms |
|
Anthroponyms |
|
Hyponyms |
|
Toponyms |
|
Proverbs |
|
Entry |
velona
|
Part of speech | interjection
|
Explanations in Malagasy | Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [1.1]
|
|
Entry |
velona
|
Part of speech | adjective
|
Explanations in Malagasy | [Bezanozano]
Be voninahitra [1.78]
|
|