Entry manaikitra (kaikitra)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Miketoka, mamely amin' ny nify: Avy hatrany dia manaikitra io alika io fa tandremo
Mitovy hevitra: mandramatra
Manindrona: Manaikitra ny moka amin' ny fahavaratra
Masiaka amin' ny lanilany: Manaikitra ny sakay
Maharary: Manaikitra ny kiraro fa vao
Mihinana, mahazo tsara, miraikitra tsara: Tsy manaikitra itỳ tandra itỳ ~ Tsy manaikitra tsara ny loko natao tamin' itỳ lamba itỳ
Masiaka, sarotiny, tsy azo hatonina: Manaikitra ny lehibenay fa aza mitsiditsidika any am-piasanay any ianao [1.1]
Explanations in English To bite, to cause pain [1.7]
Explanations in French Mordre; piquer, faire mal [1.8]
Examples 
1Manaikitra izany alahelo an' Ikaky izany! [2.528]
2ny manetoka dia manaikitra mafy sady tampoka. [2.313]
Morphology 
Present : manaikitra
Past : nanaikitra
Future : hanaikitra
Imperative : manaikera
Analogs  miketoka ~ manaketoka ~ mikaretoka ~ manakarepoka ~ manakaretoka ~ mamazana ~ manatandra ~ mandramatra ~ mandrambo ~ mandrovitra ~ mandriatra
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/01/20