|
|
|
|

Teny iditra1 Avaradrano
Singan-teny  2rano
Sokajin-teny  3 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  4Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia (1) Avaradrano, (2) Vakinisisaony, (3) Marovatana, (4) Ambodirano, (5) Vonizongo, (6) Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: (a) Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; (b) Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; (d) Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy.... [1.10#78.450]
Fanazavàna teny frantsay  5le plus célèbre des six territoires de l'Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d'Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné.. [1.11]
Ohatra  6 Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo? [1.336#]
7 koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa. [2.59#]
8 Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary. [2.298#]
Voambolana  9 Haitoetany: firenena, foko
Mpanahaka  10 ambodirano, 11 ambodirano, 12 imerinaenintoko, 13 imerinaenintoko, 14 marovatana, 15 marovatana, 16 vakinankaratra, 17 vakinankaratra, 18 vakinisisaony, 19 vakinisisaony, 20 vonizongo, 21 vonizongo
Ohabolana  22 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02