|
|
|
|

Entry1  maty
Root  2  faty
Part of speech  3  participle
Explanations in Malagasy  4  Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo
5  Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany
6  Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra
7  Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro
8  Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy
9  Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany
10  Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany
11  Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [1.1]
Explanations in English  12  dead [1.2, 1.7]
13  gone out as a lamp, or a fire [1.2]
14  paralyzed (of the limbs) [1.7]
Explanations in French  15  mort [1.3#437, 1.8, 1.196]
16  paralysé (se dit des membres du corps) [1.8]
17  paralysé [1.196]
Examples  18  Tsy te-ho faty aho! [2.529]
19  voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [2.293]
20  Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [2.324]
21  Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [2.4]
22  Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470]
Morphology 
23  Present :
24  Past :
25  Future :
26  Imperative :
Derivatives 
27  Active verbs :
28  Relative verbs :
29  Adjectives :
Analogs  30  dangy, diso, fohatra, jedana, jihitra, jingy, lasa any amin' ny varo-tsy mifody, lasa any an-koatra, lasan' Andriamanitra, lasan-ko razana, latsaka aina, mandry ao ambany rangolahy, manjahana, miamboho, miondambato mangatsiaka, mitsitra, modimandry, nivoaka ny varavaran-kazo ka niditra ny varavaram-bato, nody vovoka, tapitra andro, tsy miaina, tsy tra-drano, rabevoina, Rabevoina, ratompokolahy, Ratompokolahy, ratompokovavy, Ratompokovavy
Compound words 
Phytonyms 
Toponyms 
Titles  163  Kabary amin' ny fampisehoan-dambamena ho entin' ny maty (Rasamuel Maurice)

Anagrams  164  atim, itam, maty, mita, mità, tami, tamy, tiam

Updated on 2023/05/20