Index

Proverbs : ranaotra

Proverb 1Aza mitsako tsy re ka kenda vao dony aho Ranaotra. [2.558 #805]
Mitsako tsy re ka kenda vao: "Dony aho ranaotra". [2.165 #1098, 2.558 #2496, 2.974 #221, 1.1]
Mitsako tsy re ka voa vao dony aho, ranaotra. [1.1]
Mitsako, tsy re, kenda vao hoe : " dony aho, ranaotra " . [2.415 #5392]
Malagasy interpretationEnti-milaza irony olona mifaly irery raha misy soa azony, fa miantso ny hafa kosa rehefa nisy nahavoa azy. [1.1]
Enti-milaza olona nanana zavatra an-kinafinafina, kanjo nony nisy nahavoa azy, niantso vonjy amin' olona. [1.1]
Entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. [1.1]
Raha sendra zava-tsoa ny tena, mihinan-drery, fa raha misy mahavoa kosa, miantso vahoaka. [1.1]
French translationMâcher en secret, et appeler au secours quand on s' étrangle, demandant qu' on frappe sur la nuque. [2.415 #5392]
Mâcher sans bruit, et appeler à son aide une fois qu’on a avalé de travers. [2.974 #221]
Manger (mâcher) sans bruit, mais quand on s' étrangle, s' écrier, "Eh! tapottez-moi, beau-frère" . Ceci est un reproche, car il est impoli pour les Malgaches de manger sans bruit chez les autres; il faut en faire, au contraire, pour montrer qu' on apprécie ce qu' on vous sert. [2.165]
French interpretationSe disait des gourmands, des égoïstes qui ne pensent aux autres que lorsqu' ils en ont besoin. [2.415 #5392]

Proverb 2Jamba mizaha tandindona : Efa mba manao ahoana kokoa izao fitazanao azy izao Ranaotra? [2.558 #1552]

Proverb 3Raha indrindra ho faty ihany, aleo matin-janak' anabavy. [2.558 #3580]
Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo matin-dranaotra. [2.415]
Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo maty ny zanak' anabavy. [2.165]
Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo maty ny zanaky Ranaotra. [2.165]
Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo matin-janak' anabavy. [2.653, 2.415]
Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo matin-janaky Ranaotra. [2.653]
Raha samy ho faty ihany, dia aleo maty ny zanak' anabavy. [2.165]
Raha samy ho faty ihany, dia aleo maty ny zanak' Ranaotra. [2.165]
Raha samy ho faty ihany, dia aleo matin-janak’ anabavy. [2.653]
Raha samy ho faty ihany, dia aleo matin-janaky Ranaotra. [2.653]
French translationPuisqu'il faut bien que quelqu' un (ou: que chacun) meure, il vaut mieux que ce soit l' enfant de ma sœur (ou: mon beau-frère), (plutôt que moi). [2.165 #2100]
S'il faut que nous perdions, il vaut mieux que ce soit l' enfant de notre soeur qui nous fasse perdre, ou bien notre beau-frère. [2.415]
French interpretationIl vaut mieux que tout se passe en famille. [2.415 #1124]

Proverb 4Tifitr' ilay osa, ka "tandrifiny va izao, Ranaotra?". [2.165]
Tifitr' ilay osa, ka tandrifiny ve izao Ranaotra? [2.558]
Tifitr' ilay osa : " tandrifiny va izao, ranaotra ? ". [2.415 #5732, 2.653 #3097]
French translationUn peureux qui tire : est-ce bien la direction, mon beau-frère ? dit-il. [2.415 #5732]
Un poltron en train de tirer, il dit: "Est-Ce que je vise bien comme ça, mon ami?" Il ne peut en juger lui-même, car il ferme les yeux par crainte de la détonation qui va se produire! [2.165]

Proverb 5Tonga ranaotra, tsy misy laoka ; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.415 #1165]
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.653 #3128]
Tonga Ranaotra tsy misy ny laoka, lasa Ranaotra vonoy ny vositra. [2.558 #4185]
Tonga Ranaotra vao lany ny laoka. [2.165 #955]
French translationQuand arrive le beau-frère il n' y a pas de mets à lui servir, et quand il est parti on tue un boeuf. [2.415]
Quand le beau-frère (ou la belle-sœur) arriva, on venait de finir la viande. [2.165]
French interpretationPhrase servant à s' excuser auprès de ses parents de ne pouvoir leur offrir un meilleur repas. Ils sont arrivés trop tard! [2.165]

Index