Explanations in Malagasy |
4 Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin' ny enina, kitihina mitovitovy amin' ny gitara, henjanin' ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin' ny tendrony ilany no manamafy ny feony. Mikarantsana somary kentsona ny feon' ny jejy -- tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin' ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), jenjy (Betsimisaraka sy faritany atsinanana), lokangavoatavo na jejyvoatavo (Imerina sy Betsileo) [1.1]
|